Tambatra Ossy (Ossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tambatra Ossy

(Cover by IsarJ)

Nandrindra : Lecky (1990)


Na oviana na oviana
no tsy ahitako anao
Dia manjary fahoriana izao rehetra izao
Raha mba azoko natao
ny hanantonako anao
Dia ho nataoko tsotr’izao :
Tiako ny eo anilanao

Iny lanitr’iny homeko anao
iny volan’iny hataonao kilalao
Tsy hoekeko intsony rahatrizay
ny hovelona tsy eo anilanao :
Fa amiko :
Izao tontolo zao ianao

Ny hirahirantsika sombinaina
Dia raozy vao mivelatra maraina
Sady kalo manambara ilay fitia
‘Zay niarahana doria,
doria, doria
Ka na aiza na aiza misy anao
Dia tadidio isika roa ‘zao hira izao

Ny foko ve no adala
Ka mifikitra tsy miala
Sa tsy mety hovahana
amin-javatra andrarana
Fa ilay toka-nofinidy
No tsy mamy fa mangidy
Saingy zavatra efa tiana
Na niniako hikimpiana

Niova loko izay jereko raha lavitra anao
Ny alahelo anie ka atero-kalao
Manina anio kanefa tsarovy
Tsarovy fa ampitso ihany ianao
Dia hizaka ny vetsovetso mitovy

Any hoany,
any hoany izay ilay havako
Manina azy hany aho
ilay hany malalako.
Iza re, iza re no hafarako
Teny fohy hoe :
Malahelo ka vangio
Aza ariana lahy,
Fa mba tsiditsidio

Natory,
natory tsy nifoha
Ny fitiavako taloha
Eny, nataoko tsy ho faty
Izany,
Izany afo tao anaty !
Kanjo,
Kanjo rano kely foana
dia namono ilay fitia
Ho foana ho doria !

Ao amoron-dranomasina ao
Ao amoron’i Toamasina ao
Misy toerana izay mahatamana
Nefa voatery hialana
Ilaozana kanefa tsy hohadinoina
Izao tonokira hovetsoina
Fahatsiarona hatrany
Na faly aho na tomany
n’aiza n’aiza misy ahy eto an-tany.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.015