Izany fahitako anao (Ny Nanahary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izato fahitako anao e
Toa mamoha eto indray
Zava-maro mifamaho
Tao anatiko tao
Reo andro lasanay fahiny
Toa tsaroako mitamberina
’Lay loharanon’ny fitia
Ndrao mitraotra tsy hay fefena

Ny masonao mibanjina ahy
Ny molotrao feno tsiky
Toa mamoha eto indray
Reo andro mamy fahizay

Nataoko ihany ny hanadino
Nataoko ihany tsy hahatsiaro
Nefa izany dia toa foana
Eo am-pahitako anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Nanahary
Visites : 4992
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par :
Date : 19/10/2006 01:46
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111