Mba ho any amin'iza moa (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mandalo ady mafy aho
Ny tananao no tena jsnrguua hiriako
Raha malama re ny lalako
Ny Anaranao no antsoiko e
Jeso Tompo mananakery
Izy tsy tononkira.serasera.org hamela ahy irery

Raha mila ho reraka ny foko e
Ny Anaranao no antsoiko
Raha toa tsy misy antenaina
Ianao fanantenako e
Jeso Tompon'ny finoako
Izay matoky Anao tsy hitoloko

Mba ho any amin'iza moa izahay ry Tomponay
Ianao irery no manana ny tenin'ny fiainana manrakizay e
Ao aminao no misy hery sy fahefana tsy voafetra
Hitokiako amin'ny qwow androko rehetra

Raha mitady hanimba anay hgrg oa
Ireo fahavalo ara-panahy
Ny fonay dia matoky Anao
Tsy hatahotra tsy hanana ahiahy e
Jeso Tomponay mahery
Izy tsy hamela ahy irery

Tsy ho kivy aho satria
Jeso mitantana ny dia e
Ny hiemotra dia ataonay fady
Sanatria izay resy an'ady
Tsy mbola nanary anay izany oa
Jeso Tompo be fitia
Izy rehefa tia dia tena tia

Tsy ho kivy aho satria
Jeso mitantana ny dia e
Ny hiemotra dia ataonay fady
Sanatria izay resy an'ady
Tsy mbola nanary anay izany oa
Jeso Tompo be fitia
Eny omaly anio..
MANDRAKIZAY DORIA

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Fanilo
Visites : 694
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fango12
Date : 16/12/2025 10:29
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.03