You are here: home > Tononkira > NY FANILO

Izay iheverana ahy (NY FANILO)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-fanilo/izay-iheverana-ahy

Ry tompo oh, izaho manaiky anao
Amin'izay voasoratra ho ahy
Vonona aho hankato ny sitrakao
Tsy ny heriko fa amin'ny herin'ny fanahy

Ny fiainako ankiniko aminao
Ny hoaviko eo ampelatananao
IanaTsiky dia ampyo mahalala izay iheverana ahy
Amin'ny fo no hanekeko anao

Tsy angovitra aho, tsy hanantahotra
F'ianao jesoa toky sy hery ho ahy
Na iza hanenjika na hitsara ahy
Tsy hiemotra aho fa hijoro hanompo anao

Ny fiainako... x2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : NY FANILO
Mpamaky : 164
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 23/11/2020 18:25:19
ID : 13181

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo