Mba ho any amin'iza moa (Ny Fanilo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mandalo ady mafy aho Ny tananao no tena hiriako
Raha malama re ny lalako
Ny Anaranao no antsoiko e
Jeso Tompo mananakery
Izy tsy hamela ahy irery
Raha mila ho reraka ny foko e
Ny Anaranao no antsoiko
Raha toa tsy misy antenaina
Ianao fanantenako e
Jeso Tompon'ny finoako
Izay matoky Anao tsy hitoloko
Mba ho any amin'iza moa izahay ry Tomponay
Ianao irery no manana ny tenin'ny fiainana manrakizay e
Ao aminao no misy hery sy fahefana tsy voafetra
Hitokiako amin'ny androko rehetra
Raha mitady hanimba anay oa
Ireo fahavalo ara-panahy
Ny fonay dia matoky Anao
Tsy hatahotra tsy hanana ahiahy e
Jeso Tomponay mahery
Izy tsy hamela ahy irery
Tsy ho kivy aho satria
Jeso mitantana ny dia e
Ny hiemotra dia ataonay fady
Sanatria izay resy an'ady
Tsy mbola nanary anay izany oa
Jeso Tompo be fitia
Izy rehefa tia dia tena tia
Tsy ho kivy aho satria
Jeso mitantana ny dia e
Ny hiemotra dia ataonay fady
Sanatria izay resy an'ady
Tsy mbola nanary anay izany oa
Jeso Tompo be fitia
Eny omaly anio..
MANDRAKIZAY DORIA
--------
Link:
