You are here: home > Tononkira > NY FANILO

herezo ny dia (NY FANILO)

Mandalo miserana ny ety an-tany
Kanefa ny any an-danitra any
Maharitra tsy mba mety ho lany
Raha mbola eto antany isika mety hitomany
Fa fifaliana tsy ho lany
Miandry antsika a-danitra any

Ho adino e, ireo fahoriana
Ho adino koa ireo tsy fisiana
Fa fiainampiadanana mandrakizay
No miandry antsika avako oh
Raha miala ety rahatrizay

(Herezo, herezo, miandry antsika anie
Jesosy tia)x2tononkira.serasera.org

Alao sary an-tsaina hoe eo am-bavahady
Miandry am-pitsikiana mba
Handray ireo nandresy an'ady
Dia jesosy tompo ilay feno fitiavana
Milaza amintsika hoe
Midira mandrosoa rahavana

Matokia, mifalia
Hampandresy anao jeso ilay tia anao
Hizory ny lalana ka aza mihemotra
Herezo ny dia fa miandry antsika jeso tia

Herezo, herezo, miandry antsika anie jesosy tia
Herezo, herezo, miandry antsika anie jeso ilay tia anao

Mpihira : NY FANILO
Mpamaky : 141
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mamitiana00675
Tamin'ny : 14/04/2021 21:29:36
ID : 13427

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo