Ny voadiko (Ambasadora)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(L) Fa masina eto anioSatria natokanay roa
Fa voady no atao
Eto anatehanao ry Ray ambony ao
(V) Fa dingana iray
Ho anay mandrakizay
Tanteraka avokoa
Ilay nirariako
Hijoro sy ho sahy
Ho tafakambana
Hiara-hiatrik'indray
Ilay fiainana vaovao
Ref :
Ankinina amin-dray ny tokantranonay
Mba ho tahiany ho mamy
Arovany mandrakizay
(L) Ny voadiko anio
Ho tia anao
Hiasa ho anao
Hikarakara anao
Toy izany koa ry vadiko
Toky omeko anao ratrizao ratrizay
oooo
(L) Manomboka eto anio
Dia dingana vaovao no atao
Hiaradalana aminao Ray
Hametraka aminao ny tokan-tranonay
(V) Ka n'inona handalo
Tafiotra onja maro
Fahavalo ampimalo
Ny voady tsy hiova
Ny teninao no ampinga (ampingako)
Ny vavaka no aro (no aroko)
Hamikitra aminao Ray (aminao Ray)
Izay no fiainanay (fiainanay)
Ref :
Ankinina amin-dray...
(V) Ny voadiko anio ho tia anao
Hiasa ho anao hikarakara anao
(L) Toy izany koa ry vadiko
Toky omeko anao rahatr'izao, ratrizay
oooooo
Ratrizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AmbasadoraVangy : 81
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Noekena
Daty : 25/05/2026 03:11
