Tsy mendrika (Mickael Randriambololona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandinin-tena dia,
Lasa saina tamin'ny hatsaranao
Hoe izaho ilay tsinontsinona
Nantsoinao tamin'ny Anaranao.
Noraisinao ho zanakao
Tonga lasa andraikitrao
Be fitiavana Ianao
Namindra fo ho ahy Ianao. (X2)

Ref:
Nefa! izaho ilay maloto tsy medrika
Izaho izay efa jamba nampahiratina
Izaho ilay mpamory hetra tena fetsy be
Misaotra e! nodiovinao ny fanahiko e! (X2)
....

Olonao aho izao,
Tsy nojerenao ny lasako
Nanao fanahiniana e!
Nanota ihany koa.
Fa mbola teo foana Ianao
Nandefitra tsy mba nandao
Nafahanao aho,
No mbola handova ny lanitrao. (X2)

Ref:
Izaho ilay maloto tsy medrika
Izaho izay efa jamba nampahiratina
Izaho ilay mpamory hetra tena fetsy be
Misaotra e! nodiovinao ny fanahiko e!

Tsy tokony hiray latabatra Aminao
Satria, naditra feno ratra anatiko aho
Handroso amin'ny fifalian'i Tompoko aho
Hiadana finaritra ao amin'ny fanjakany.

Handia! volamena aho(x2)
Hifaly sy hiravoravo ao an-danitra.

Handia! volamena aho(x2)
Hifaly sy hiravoravo ao an-danitra, oh!oh!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mickael Randriambololona
Visites : 874
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 25/01/2022 19:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808