Soa raha manan-kavana (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soa e raha manan-kavana
Fa raha manam-bola, manan-taratasy
Fa ny manan'omby, manan-ketsa
Manan-tany, manam-potaka
Fa manan-tsoa e raha manan-kavana
Fa milefalefa,
Milefalefa rafokonolona fa tonga ny vazaha sônagaly.

Soa e raha manam-piara
Fa raha manam-piara tsy mba mety tara
Manam-piara, mahita vady
Manambady, matory tsara
Fa manan-tsoa e raha manan-kavana
Fa milefalefa,
Milefalefa rafokonolona fa tonga ny vazaha sônagaly.

Soa e raha manam-basy
Fa ny manam-basy, manan-kery
Manan-kery, manan-tany
Manan-tany, manam-panjakana
Fa manan-tsoa e raha manan-kavana
Fa mirangaranga,
Mirangaranga rafokonolona fa tonga ny andron'ny fanjakana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Lolo sy ny tariny
Visites : 3849
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 09/03/2010 17:53
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117