Talenta (Ktlm Antsirabe Antampontanana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io talentanao ioNo hoentina mitaona
Ireo ondry nania
Io talentao io
Dia ho zava-poana
Raha tsy eo ny fitia/misy fitia
Aza mandevin-talenta toy ilay nomena anan-kiray
Fa mba irio ny ho tonga mpanompo mahatoky rahatrizay
Ka mazotoa mampitombo ireo asa tsara ao anatinao
Dia ho mpanompo mahatoky tokoa ianao amin'izay atao
Matokia fa ny Tompo eo anilanao miaraka aminao
Mampitombo ny tsara efa aminao ny talentanao
Ka zarao ao anaty fitiavana sy an-kitsim-po
Hideran'ilay Tompo mpamindra fo
Io talentanao io
No hoentina mitaona
Ireo ondry nania
Io talentao io
Dia ho zavapoana
Raha tsy eo ny fitia/misy fitia
Maro ireo namanao izay mbola voageja amin'ny ratsy ataony
Mila mandray ireo voa izay voatendry hafafinao
Ka mazotoa mampitombo ireo talenta ananao
Dia ho himbanao hatrany ilay Ray hatr'izay ka hatramin'izao
Matokia fa......
Io talentanao io......
Dia ho zavapoana....
Eric Rajaonarison
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ktlm Antsirabe AntampontananaVisites : 10
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hoby3
Date : 12/06/2026 12:59
