AZA MIOVA (ISAAC DE PAUL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Farany ry rahalahy , miorena tsara
Farany ry anabavy ,  miorena tsara
Aza miova,  mahefaha be
Amin'ny asan'i Tompo

Satria fantatsika,  fa tsy ho foana tsy akory
Ny fikelezanaina,  ao amin'i Tompo
Na dia misy manenjika aza (tsy ho foana izany)
Na dia misy mandatsa aza (tsy ho foana izany)
Na dia misy maneso aza (tsy ho foana tsy akory izany)

Miandry antsika any an-danitra any
Ny satroboninahitra
Izay omen'i Tompo
Ho an'izay maharitra
Maharitra mandrakizay,  amin'ny fanompoana
Maharitra sy mahatoky,  amin'ny fanompoana
Maharitra mandrakizay,  amin'ny fanompoana ny Tompo

Oooooooooooooooooooooo!!! Mahereza
Mahereza ao amin'i Tompo
Oooooooooooooooooooooo!!! Mifalia
Mifalia ao amin'i Tompo.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ISAAC DE PAUL
Visites : 192
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Liantsoa12
Date : 21/01/2024 17:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793