NOTIAVINAO (ISAAC DE PAUL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Navadikao , ny pejin'ny tantarako
Navalonao tanteraka ireo lasako
Tao anaty fijaliana, tsy nisy fifaliana
Torovan'ity fiainana ity

Dia tonga ianao, noraisinao ny tanako
Izaho efa tao anatin'ny famoizam-po
Nosakambininao aho, ho eo anilanao aho
Dia nofafanao ireo ranomasoko

#Ref :
Notiavinao aho Tompo ô!
Satria Tinao aho Tompo ô!
Tsy fantatro ny antony
Izaho notoloranao fitia
Tsy toy izao aho anio
Raha tsy notiaviNao


Natombokao, tantaram-piainana vaovao
Dia nokosehinao , ireo omalin'ny talaho
Toa nofinofy sisa, ireo lasa tsy voaisa
Niaretako, ireo fahorim-panahy

Nivadika , tanteraka ny fiainako
Satria ianao no lasa fitarainako
IZAHO ILAY NIADY IRERY
TOA TSY NISY TE HIJERY
NANJARY NANAN-KIANTEHERANA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ISAAC DE PAUL
Hits : 153
Likes : 0 Like
Created by : Liantsoa12
Date : 21/01/2024 17:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764