Medley slow (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray misy teny tsy tsaroana
Mandrotik’aina mankarary fo
Fiteny mamy zary ompa sy ozona
Latsaka anaty ao am-po.

Nefa atao ahoana moa
Satry tokoa isika roa
Ho tafara-dalana indray
Izaho sy ianao hifandao
Tsy ho ahy ianao.
......................
Tranon-kala no mandravaka ireo tolanako
Lavaka fieren-kadradraka no mba fananako
Maizina sady mangatsiaka ireo rindrin’efatro
Tsy miteny sady tsy mamaly ireo tafo sy gorodoko.

Soa fa nisy varavarankely
Ahazoako mijery
Soa misy varavarambe
Ahazoako mivoaka sy mandeha.
.......................
Izao aloha henoy ny hira
Izay nataoko hamalifaly anao
Ary asio ilay feo faharoa
Mbola tsy ahafoizako anao.
.......................
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky no niantso an-tariby.

Tsindrin-daona izy hamonjy ny tanana
Misy tsy salama angamba ny akama
Ny lohataona aza lasa manara
Volon’andro milaza fambara.
.......................
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Iraimbilanja
Visites : 1409
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 20/04/2019 12:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733