JESOSY NO FIDIO (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay Jesô , io no fidio!
Ilay Jesô, io no itokio!
Io ilay tsy mamitaka, io Ilay fanavotana!
Ilay Jesô no iantehero sy fidio

Ilay Jesô nanome ny ainy manontolo noho ianao!
Fanavotan-dehibe, fanavotana ho anao!
Noho ny rà nalatsany nanafaka ny taninao!
Noho ny rà nalatsany, io ilay Fitiavany
Noho ny rà nalatsany ho ahy sy ho anao!

Isanandro no azo ifidianana Azy!
Ianao ihany no hanao ny raharaha!
Ao am-po no andatsaho, ao ilay safidinao
Ilay devoly anie no mpifanandrina!

RAKOTONIRINA Heriniaina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Visites : 366
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : rijajose
Date : 05/01/2023 14:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788