Mba iriko (Groupe NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(juin 2009)
Mba iriko raha isika rehetra izao
Ndeha hiakatra any
Ho tafita fa tsy hisy izay handao
Satria efa nosasany
Mba iriko raha ireo mpiara-midera
Ho raisiny avokoa
Dia handroso sy hijoro tsy hianjera
Tsy hanompo tompo roa

Mba iriko raha ny hira izay natao
No santatry ny any
‘Zay nanolokolo ny fanahinao
Nampahery hatrany hatrany
Mba iriko raha atomboka izao
Fifaliam-be
Raha misy fahatanterahanao
Dia Jeso no rehareha

Miaingà dieny izao
Fa ho falifaly ny ao an-danitra
Mbola ao ny toeranao
Eo akaikin’ilay Andriamanitra

Faniriana ny ahy raha toa ekenao
Am-pitiavana
Faniriana hahasambatra anao
Tsy mba hanavahana
Ndeha iray tanjona raha azo atao
Iray lalana
‘Lay Jeso no tanjako sy tanjakao
Izy no hiakarana any

Andao, andao, hifampitantana isika
Andao, andao, hifampahery koa isika
Andao, andao, tsy hifanary intsony isika
Andao, andao, ‘lay Jeso no arontsika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe NAINA
Vangy : 690
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Datatoa
Daty : 24/10/2019 16:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1985