Efa natokako ho Anao (Groupe NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(janvier 2009)
Efa natokako ho Anao
‘Reo talenta avy aminao
Nekeko hanjakanao koa
Ny fo ny saina sy fanahy
Izany indrindra re ry Ray
No hamerenako eto indray
Fa raha mbola velona
Hihira ho Anao

Toa satriko isan’andro
Ahita ainga vaovao
Anehoana, hanambarana
Fa tsara ny miantso Anao
Te hiandrandra aho, mba hidera
Hanandra-peo
Hatrany hatrany
Toa tiako hiainana sahady
‘Lay fiainan-danitra any ho any
Any ho any

Efa nomeko ho Anao
Ireo momba ahy rehetra
Nanaiky aho ho tefenao
Na fiteny na ny toetra
Aoka Ianao mihintsy no
Hita taratra hiseho
Ho fianarana tokoa
‘Zahay mino izao

Amin’ny fo no inoana mba
Ahazoana fahamarinana
Ny vava no hiaikena mba
Ahazoana ‘lay famonjena
Koa aoka mba haharitra
Hiantso ny Ray
Izy mihaino izao
Dia torio, ankalazao
Ny Anarany dia hovonjeny ianao

Andriamanitra Mpahary Izy
Sady Tompon’ny indrafo
Avo Indrindra be fitiavana
Tsy mba manam-paharoa
Feno hery sy Mpanavotra
‘Lay Jehovah Ray Tsitoha
Lehibe no sady Marina
Masina sy Hendry koa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe NAINA
Vangy : 880
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Datatoa
Daty : 24/10/2019 16:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1103