You are here: home > Tononkira > Groupe NAINA

Ho avy Jesoa (Groupe NAINA)

(janvier 2000)
Ho avy Jeso, ho avy Izy e …

Ho avy Jeso, tsy ho ela intsony
Ka efa madio ve ny fonao fa
Ho avy Jeso, tsy ho ela intsony
Moa mba efa vonona ianao izao

Raha atao indray mijery ny tontolo ety
Tsy mba tsinjo na manjaka intsony
‘ lay fitia
Fa mifampifahavalo izao tontolo izao
Araka ny teny izay eTsiky dia ampyfa voasoratrao e

Hita eran-tany izao ny fahantrana be
Feno aretina mamely izay rehetra aleha
Ny halatra sy ny habibina etsy sy eroa
Soa fa efa ho avy Ianao
Faingana ry Jeso

Miova sy mivadika izao rehetra izao
Vitsy mpakato sy mpihaino koa ny Teninao
Maro ireo efa mijoro no indro lavo indray
Miambena sao variana
Mifohaza amin’izay fa

Mpihira : Groupe NAINA
Mpamaky : 465
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Datatoa
Tamin'ny : 24/10/2019 14:49:52
ID : 12155

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo