Tsara ny Tompo (Groupe NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa mendrika hoderaina ny Tomponay e
Ka tokony hankalazaina mandrakizay e
Fa Tompon'ny fahefana sy laza koa
Azy avokoa ny harena 'zay tena soa
Manolotra fifaliana tsy hita lany
Maneho zava-mahagaga hatrany hatrany
Mihevitra isan'andro izay mahasoa e
Mamela sy manadio 'lay be indrafo e

Tsara Izy e, tena tsara Izy e
Tena tsara
Tsara ny Tompo (3x)

Fa manana fahendrena tsy hatakalo
Mampianatra mba hitiavana fahavalo
Manarona fahotana sy ny hadalana
Ny fatotra sy ny geja dia hovahan

Tsara Izy e, tena tsara Izy e
Tena tsara
Tsara ny Tompo (3x)

Andramo ka izahao e (tsara ny Tompo)
Tena tsara ny Tomponao e (tsara ny Tompo)
Mandinika ny eto an-tany ianao
Mahita ny hatsarany
Tsy hita ho lazaina intsony angamba
Izay any an-danitra any (tsara ny Tompo 3x, tsara e!)
Mangamanga ny lanitra e (tsara ny Tompo)
Tena tsara Andriamanitra e (tsara ny Tompo)
Fa Tompon'ny fahefana sady
Tompon'ny hatsarana
Mpanjakan'izao tontolo izao
Jehovah no tena tsara (tsara ny Tompo 3x, tsara e!)

Tsara Izy e, tena tsara Izy e
Tena tsara
Tsara ny Tompo (3x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe NAINA
Vangy : 898
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Datatoa
Daty : 23/10/2019 22:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802