Ho vadiko (Gonna Music)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atolory ahy ny tananao
F'efa ampy izay fotoana izay
Nahalalako anao
Nahafantaranao ahy
Tsy fitia taitaitra intsony ,fa nisy sedra fitsapana
Efa tendry avy ao ambony
Ny antsika roa ..

Anio lazaiko anao
Ambarako eto avokoa izay rehetra anatiko ao
Anio lazaiko anao, tsisy afatsy ianao no ao ampoko ao

Adinoy any izay tsy nety , nanimba fo
Nandratra anao fa tsy niniako inty aho

Ref:
Ka anio ..
Eto imason'izao tontolo izao
No anehoako aminao
Fa tiako, tena tiako
Ka anio...
Eto imason'izao tontolo izao
Fa efa ianao ..
Nofidiako , efa tiako koa tia ahy !

Tsy ampanantena anao hoe tsy hisy ny olana
Fa izaho sy ianao no hifanohana
Ka raha sendra sarotra mangidy
Dia izaho sy ianao no fanalahidy ...

Adinoy any izay tsy nety......

Ref :
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Gonna Music
Visites : 309
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Mboula Ny Rotsy
Date : 17/07/2023 20:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742