Fitia n'aiza n'aiza (Gonna Music)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray toa mahagaga iany
Hoe misy fo iray izay mitempo any ho any
Tsy nampoizina , io ilay anjaram-pitia

Matetika izy aloha matoa mifanankimpo
Dia nifanerasera teo iany
Iray kilasy retsy ah, mpiara-miasa iany koa
Dia lasa tsy nifankafoy

Fa misy koa indraindray, dia olona iray
Tsy fantatrao hoe iza izy akory
Fa vao sendra nifanena, ny masonao jambena taraiky
Ref:
Dia izany toizany ay eo iany ilay fitia eh
Dia izany toizany f'aza mitady lavitra aki (2x)

Indraindray, toa mampitomany
Raha teny antanan'olonkafa izy no tazanao androany ny fo..mila ho vaky retsy ah
Fa izao (Fa izao) amboary ny saina
Misy koa fahalemena raha mbola velon'aina tsy izany
No handravana fitia
Misy koa fiaretana misedra jaly rehefa mitia eh
Ho hitanao ireo fijaliana, fiafiana sy hafaliana aki
Fa mamy mamimamy mamy mangidy , ilay fitia eh (2x)

Rehefa tena tsy zaka, fa mangidy mandratra
Dia aleo mikopakopaka fa tsy voangory ianao
Na efa be ireo ratra na efa tena lalimpaka
Fitia iany no mahasolo fitia

Ref:

Vohidiala Ampasikely Amparafa any misy fitia
Andranofasika Ambatoboeny iny tena misy fitia
Andranohira , Ihosy, Bezaha Mahafaly misy fitia
Farafangana , Vohipeno ,Manakara any misy fitia
Itasy Bongolava retraretra iny , misy fitia
Antalaha , Maroantsetra, Sambava any misy fitia
Antanifotsy, Ambatolampy, Andramasina any misy fitia
Ambilobe , Vohemar , Diego any misy fitia
Fa n'aiza n'aiza eto ambonin'ny tany !!!
Misy fitia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gonna Music
Vangy : 223
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mboula Ny Rotsy
Daty : 17/07/2023 20:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722