You are here: home > Tononkira > Gonna Music

Antsihanaka (Gonna Music)

Tsy tafandry mandry ianao koa lasa
Antanin'olo any ...
Izay ny fitadiavana, miala havana
Vetsovetso sisa atao fa lavitra
Ireo voahary hita manodidina
Miantso anao hiverina...

Iny andalana iny anie aho...
Lasan'eritreritra....
Misy raha mahangomangoma anao
Tsy ampy anatiko...
Any ho any , any ianao, ilay tananako
Antsihana-antsihanaka tsy foy

Reftononkira.serasera.org: Antsihanaka any zama tsy foiko
        Tanana nahalehibe anay ,tany nihaviako
        Antsihanaka any tany tsy adinoko
        Ka n'aiza misy anay , tsy adino Antsihanaka

Tsy hoe sanatria aho tsy tamana
Niala anao tsy satry, fa velontena 'ty mazaka anao
Mahasaraka olotiagna..

Arivariva antanin'olona , manimanina
Tsy maintsy hamonjy akany hiverina any Antsihanaka

Ref:

Mpihira : Gonna Music
Mpamaky : 89
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Mboula Ny Rotsy
Tamin'ny : 09/06/2022 19:52:11
ID : 14300

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo