Ndeha (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-Ndeha mahereza torio ny teny soa
F'izany no baiko nomeny Jesosy ho antsika
Ndeha ambarao eram-bazan-tany koa
Ny famindram-pony sy ny fitiavany antsika

- Vonjeo reo mahantra sy mahonena eh eh!
Torio azy ireo ny famonjena eh eh!
Ny fiainana an-tany hiaraha-mahita
Manjaka tokoa ireo mahitahita
Ireo zay madinika hodian-tsy hita
Fa ny ambony ihany dia samy vita.

" Tandremo! Tandremonao izao
Fa ianao izao anie no fanasin'ny tany"

-Ndeha mitsangana ndeha ary mahereza eh!
Hamonjy sy hanafaka'reo ondry izay naniasia
Ndeha avereno ao am-balan'ny Ray eh!
Reo ondry nania sondriana variana foana ety.

- Hampaherezo ireo trotraky ny ady eh!
Ambarao azy ny ampinga tena kiady eh!
Ka aoka ianao mba ho mendrika
Ny voninahitr' Andriamanitra
Sao indray ianao no andraraka
Ilay ilo-mby dohan'ny Tompontsika.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GALAF
Visites : 358
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : MICHAEL.XSQ
Date : 03/08/2023 19:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726