Ho Anao Jesoa (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Hoy Jehovah tompon'ny maro
Mandehana ary ataovy ny trano
Mba ho ankasitrahako izany
Miakara an-tendrombohitra any
Raha ny herinay tsy mahefa
Ny finoanay koa toa malemy
Ankalazaina Aho hoy Jesoa raha miteny

Ref.: Ianao Jesoa no efa nampanantena
Hoe: Aminao ihany no tena harena
Raha ny laza, vola aman-karena
Zava-poana ny momba ny tena
Fa ho Anao Jesoa izay rehetra omena

2. Izahay izao raha manompo Anao
Manana izao rakitra izao
Entinay amin'ny asanao
Mba ho an'Andriamanitra ny hery
Ka homban'ny fanahy mahery
Zotom-po, finoana tsy an-tery
Hitaona ny hafa koa mba tsy hisy ho very

Ref.: Ianao Jesoa no efa nampanantena ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 217
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 26/10/2025 15:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2772