SATRIA (Gabhy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satria ireo maso natao hanan-kery hahatazana foanaDia tsy haiko fefena mba tsy hijery izay eo anoloana
Matoa matetika teny aminao no nirefarefany
Ilay foko no tia ka nitady anao mba hiantefàny
Satria ny vatako tsy vato aman-kazo fa mba nofo ihany
Dia avy manantona fa te-hahazo sy te-hanontany
Matoa hakiviana nameno ny tavako dia izao no tsarovy
Ianao no nandà tsy nety ho havako fa hoe tsy mitovy
Satria aho mba toy ny olon-drehetra sendra fandàvana
Dia tsy hain’ity foko ny ho voafetra tsy hisy fitiavana
Matoa tsy tanteraka izay nokendrena f’izany no vintako
Izaho hikatsaka ny sahaza ny tena ho solon’ny kintako
--------
Lien: