Vaninandro niarahana (Dadah Rabel)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra anao nahatsiahy Ny vaninandro niarahana
Fa fahasambarana ho ahy
Ireo mamy hifanapahana
Tsaroako toa vao anikeo
Ny lalantsika niray
Niarahana naneho
Ilay fitia ho mandrakizay
Niaraha-nikojakoja
Voatondraka tsy halazo
Voaaro tamin’ny loza
Tsy nisy sampona nahazo
Fitia feno fifandererana
Feno fifanajana
Raha sendra ady niserana
Na ola-mora nofafana
Fitia tsy mety tonta
Isanandro vaovao
Toy ny masoandro mipoitra
Mitsiky lava tsy mety hankalao
Fitia tsy mety maty
Tsy resin’ny fahazarana
Ka latsa-paka ao anaty
Satria fitia nisasarana
Etsy ny sandriko hiankino
Handeha hamerina indray
Ireo lasa mamy tsy adino
Fa nampitambatra, nampiray
Ny ho avy mikopa-tanana
Toa miantso hoe :"tongava:
Tsy ho ela intsony ny lalana
Ho mora ny dia
Ho mora satria
Izahay mifankatia tsy hisy haharava
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Dadah RabelVisites : 214
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : oliviermrcl
Date : 09/10/2025 09:11
