Jesoa no tompoiko (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Misaotra anao izahay ry Tompo zanahary
Fa ny fitiavanao anay hita miharihary
Raha sendra mandeha eny an-dalana
Fa Jesoa Kristy no mitantana
Misy olona sasany
Manompo Tompo roa
Lasa mivezivezy izy é
Mankatsy mankaroa
Satria tsy matoky tena
Ka lasa mivembena
Any amin'ingahy mpimasy izy é
No manao fijerena

2. Fa maromaro amintsika anie rahavana
Mandohalika sy mivavaka amin'ny razana
Andriamanitra ao ambony anie mitazana
Sao dia mihevitra mantsy ianao fa tsy fantany e
Ireny dia mamitaka, tsy aleo ve misintaka
Izy hono mba hiakatra, tsy manaiky Andriamanitra

3. Raha manina anay mantsy ianareo
Ny adiresy misy anay dia omeko anao
Ao Imerintsiatosika no misy anay
Ziona Famonjena no fiangonanay
Ho an'ireo tsy mahafantatra
Ireo ny Andon'ny Lanitra x2
Dia hidera an'Andriamanitra
Ref:
Ie, e ,e Jesoa no tompoiko
Satria tsy tia zavatra maloto
Ny sasany mihatsara velatsihy
Milaza izy fa hanaraka ny Tompo tia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Visites : 2099
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : macmac
Date : 31/12/2013 00:44
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071