SAMBATRA ISIKA (Charles Kely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra ihany ê ’reo manan-katao
Sambatra kokoa raha toa ianao tsy miova amin’izao
Fiainanao tsotra ê, fo, saina, fanahy
Revinao mizotra tsisy ahiahy

Fara-fahoriana ê, fara-fahantrana
’Reo madio ivelany, manam-bola
Ka manjary hadalana
Ny mihevi-tena  ho ambony
Tsy mitovy aminao
Ka misetrasetra lava izao

Sambatra indrindra ê izaho sy ianao
Fa iray safidy hanorina fiainam-baovao
Ho halavirin-tsika ê ’reo tia sehoseho
Hira sy mozika â tsy mankaleo

Tretrika tokoa aho raha ampianarinao
Tsy mba hanan-dolom-po
Ka hisaina vali-faty lava izao                        
Hanetri-tena aho sy handefitra
Raha mbola azo atao
Zatra nihenahena aho hatrizay

Tretrika tokoa, ampianarinao aho
Tsy hanan-dolom-po aho fa miaraka aminao
Tena tretrika tokoa, ampianarinao
Tsy hanan-dolom-po miaraka aminao hatrizay


CHARLES KELY / NANIE
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Charles Kely
Visites : 5011
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 16/01/2007 09:37
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1127