Mitsimoka eo antanimbolinao 0024 (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Mitsimoka ao an-tanimbolinao ry Ray,
Ireto zana-kazo mbola kely;
Ka raha sendra tanin-kandro Mahamay,
Na rivo-doza be izay mamely, Alofy sy tantano mafy izahay;
Ny herinay tsy ampy velively,
Fa lanao, ry Ray,
No hany Herinay

2 Ry Jeso, Loharano feno soa,
Mangalahala sady fototr'aina;
Mahafa-ketaheta izao tontolo izao,
Ary efa ampy izay rehetra ilaina
Ny taninay, ry Jeso,
Mba onenonao,
Fa raha ilaozanao dia karakaina
Tomoera Tompo ô,
Monena re izao

3 Ny asanao mangina ry Fanahy
Na dia tsy hita aza, afafazo;
Ny fakany omeo tsiro avy Aminao
Ny taho ny tondraho tsy halazo;
Ry hery lehibe mba miasà izao
Mba hampidokadoka ireto hazo
Ny asa izay atao
Ho voninahitrao

4 lndreto, Tompo, izahay tanora,
Anaro sy bitsiho moramora Hiasa sy hamboly isan'ora
Handresy ireo devoly mpanakora,
Izay nampidi-doza tao Gomora
Herezo Tompo ô!
Ny miaramilanao
Herezo Tompo ô!
Ny miaramilanao

5 Raha sendra ka mandia ny làlan-tery,
lanao Jesosy Tompo no mijery
Ny olonao, na vitsy na irery; Tantano izahay mba tsy ho very
Ianao no Tompon'aina manan-kery
Tantano, Tompo ô!
Tohano izahay

6 Indreto ny tanora vitsivitsy,
Hiasa sy hamoha ny jentilisa,
Fa he! mivoha izao ny paradisa,
Hidiran'ny olo-mino tapitrisa,
Indrindra fa ny mino voaisa
Mba raiso, Tompo ô!
Ho tena zanakao
Mba raiso, Tompo ô!
Ho tena zanakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Vangy : 842
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 05/11/2020 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865