ANDRO FARANY 166 (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Izao no andro farany
Hanananao fanantenana
Hihavian'ny Tompo, ny Tompo
Mpanjakan'ny mpanjaka ety an-tany.

Fiv. Ho avy faingana Izy
Ka am-pifaliana no hitsenàna Azy
Maraina ny hariva koa
Tsy ho ela dia ho avy Jesoa.

2- Hisy famantanana aloha
Amin-kintana sy volana
Ny masoandro koa hihamaizina
Manambara fa akaiky ny Tompo

3- Ireo tsy hita maty amin'ny Kristy
Dia hifoha ka hitsangana
Rehefa ambaravaran-danitra ao Jesoa
Handray ireo voavonjy avy ety.

4- Isika velona hiara-miakatra
Hitsena ilay Tompo maha-toky
Ny fanantenana koa azo antoka
Koa mifampionona ianareo
--------
Rohy:
Hevitra
mitantsoa2022bs ( 26/02/2024 15:15)
salama sao mb afaka mahazo anio hira io azafady??
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Vangy : 745
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 05/11/2020 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855