Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mampandria sofina (APF TANGAINA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mampandria sofina amin'ny teniko
O! ry Tompo mba henoy ny sentosentoko
Koa atreho ny fitarainako ry Ray
Ianao no hametrahako indray; ity fitarainako e!
Fa vao maraina ny andro dia mandre
Ny feoko ianao e!
Atolotro anao ny faniriako
Ka miandry anao aho e!
Fa ianao tsy Andriamanitra hankasitraka ny ratsy e
Reo mpanota tsy ho afaka hitoetra anilanao
Ny mpandainga sy ny adala haringanao
Tsy aharitra eo ambany masonao
Mpandatsa-dra mpanitaka e!Dia tena namanao
Fa ny amiko kosa anie dia mila indrafo lehibe
Handeha an-tranonao anie aho(2*)
Hiankohoka hanatrika,hanatrika anao
APC Tangaina
A&C: Razozy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : APF TANGAINAVisites : 1166
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sissietolotra
Date : 13/04/2018 19:37
