Inty misy teny soa (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Raha sendra tojo adin-tsaina
Ka mila hokivy ny fo
Tsarovy fa ny miaina
Tsy hilaozan-java-manjo e!

Ataovy an-tsaina fa ny eto
Dia tebiteby avokoa
Isan'andro izao misento
'Zay mety hankarary ain-doha

Ref: 'Ty misy teny soa
'Ndao hiaraka hiantsoantso hoe
Antsoy I Jesoa
Fa hanampy anao izy e!

II. Raha mbola miaina eto an-tany
Ka miloloha lanitra
Tsy maintsy misy tomany
Fa ain'Andriamanitra e!

Ka raha i Jesoa no miahy
Izay rehetra atao
Tsy misy ny mampanahy
Fa azy ny fiainanao

© Vetson'i Siona 2020
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Visites : 562
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Avotra23
Date : 24/09/2020 18:12
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745