Mba saino ihany (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanora ô Tanora ô !
Tsarovy fa ny andronao dia mandalo ihany
Nahoana fa dia nahoana e!
Nahoana no dia lalao
no handanian'izany
Tandremo ny rendrarendra , tandremo ny hadalana
Satria ny herin'izy ireo tsy hita velively
Kanefa raha sitrakao ny hanao izany
Tsarovy ny fahotana fa mahavery

Fiv : Koa aiza eh , ho aiza eh, ho aiza àry no haleha
Diniho eh, diniho eh, diniho sy mba saino ihany
Diniho diniho eh,
Mba saino eh, mba saino....

Sakaiza oh, mba hatraiza eh
Indrisy mba takatrao ny ho fiafarany
Ho very tsy maintsy ho very e!
Raha toa ka minia mikipy mandroso ihany
Fa tokana ny safidy , ny Tompo no aoka handidy
Koa aoka ny sitrapony no arahinao
Hevero fa ny andronao dia sarobidy
Ka aza mikiry biby amin'ny tsy fanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 956
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ainaericrajoelison
Date : 30/03/2016 16:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3046