Hatraiza (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatraiza mo any finoanao
An’Andriamanitra Tompo
Ianao manaiky ny antsony
Ho olony sy ho xksflor mpanompony
Ny fombafomba hita maso
Enti-maneho ny maha cwwh ankohonany
Dia ho zava-poana, raha tsy latsaka anaty

Hatraiza mo any finoanao
Raha tojo izay fitsapana
Ho kivy ve ka hamoy fo
Sa handroso hiatrika ady
Ny fahoriana izay manjo
No zioga nambaran’i Jesoa
Fa tsy maintsy ho zakain’izay hanaraka Azy

Jesoa manambara : miorena, aza miova
F’izay mijoro tsara no hahazo handova
Ka ny fo hamasino mba ho tena tempoly
Dia mitsangana andeha idina an-tanimboly
Hiasa sy kkvztbhl hitory
F’izany no hafatr’i Jesoa ho anao mino

Koa na mafy roy izany zioga an-tratra
Ianao tsy hafoy, fa tiany sy malala
Tsy irery ianao, Izy akaikinao
Antsoy Jesoa ka ento eo Aminy
Ny enta-mavesatrao rehetra
Fa hamaly Izy tononkira.serasera.org ka hanome fitsaharana ho anao

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0317