AOKA HANETRY TENA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô! ry olom-boavonjin'ny Tompo tsarovy anie f'ilaina miambina isika
Aoka tsy hirehareha na hihevi-tena hoe: izaho efa mahalala e!
Ny ambo-po tandremo tsara, satria mety hahadiso anjara
Satana anie no ho faly raha toa ka lavo ianao ka dia miambena 'ndrao ho lao

Tsy ny harena be na ny saina hanananao no tena handraisana antsika
Sao diso ny hevitrao, ka hanenenanao ny fiheveranao
Hoy ny Tompo tamintsika: Izay manandra-tena hahetry
F'ireo izay manetry tena no hasandratry ny Ray Tsitoha ary handray ny Lova soa

Koa tapaho ny hevitrao, f'efa antomotra ny Mpamonjy
Aoka hatreo raha ny andraso, andraso, aza mangatak'andro
Fandrao ho neninao anie, k'izay vao ho tena ho very ianao
Raiso ny Teniny ho fiarovan-tena amin'izay rehetra atao

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 142
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : AMPIZIFA
Date : 18/03/2024 08:31
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123