Tompo Kristy (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TOMPO KRISTY
1.Tompo Kristy ilay nohombohina
Hateloana dia nitsangana
Izy tenany nilaza ny nitsanganany
Fa tsy tsy maintsy ho voavono
Nororaina nasatro-tsilo koa
Ka ny Rany no hanamarina
Izay mino ny Asany
          Ref : Olon’afaka tokoa izahay
                    Fa navotan'ny Tsitoha tia anay
                    Olo-meloka aho taloha nefa izao
                    He nohavaoziny ho tonga vaovao
2.Tompo Kristy ilay noesoina
Noharabiana novonoina koa
Eso latsa hirifiry
Niaretany avokoa
Tsy namely na nandà
Fa nanaiky tamin-tsitra-po
Nanolorany ny Ainy ho anao
Mba ho famonjena anao

3.Tompo Kristy ilay Mpanjaka
Nietry tamim-boninahitra
Tao Golgota no nijaly
Nilatsahan'Ilay Rà
‘Zay nitondra Famonjena
Sady nandio ny otako
Resiny ny fahafatesana
Velona mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ampifafi
Visites : 112
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Dadasa
Date : 22/04/2026 08:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1512