TOMPO Ô! TOMPOKO (Ampifafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tompo ô! TompokoNa ho mafy aza ny fiainanay e
Matoky Anao tompoko
2- Izao andro izao no voalaza hoe : andro farany tokoa
Na ho mafy aza ny fiainanay e!
Matoky Anao Tompoko
3- Efa voalazan'ny soratra masina, F'amin'ny andro farany ho be tia tena
Ho tia vola ho mpantolo fo,
Misy aza moa tsy hanaja ny tompo
4- F'izaho kosa Tompo ô! Hiandry ny famindram-ponao
Na ho mafy aza ny fiainanay e!
Matoky Anao tompoko
5- Fa ianao manamafy fo, Efa voasoratra anie izao fiainantsika izao
Efa miseho ny famantarana e!
Ho avy tsy ho el any tomponao
6- Ndrao lahy hangahiahy, ka hiantso hoe : mianjerà aminay
Ry tendrombohitra sy havoana maro
Fa mafy loatra izao fiainana izao
7- F'izaho kosa hiantso hoe: mbola tsy tara ianao havako ô!
Mba mibebaha ianao mialà amin'ny ratsy
F'indro Jeso mbola tia anao
Indro Jeso mbola tia anao
INDRO JESO TENA TIA ANAO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AmpifafiVisites : 276
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Malalasanta
Date : 04/07/2023 09:12