HAZO FIJALIANA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry Tompo nahoana no ampitondrainao
Kapoaka mangidy ty mpanomponao
Raha mety Ianao esory amiko
Fa tena mafaitra ampio aho fa tsy tantiko

2-Kanefa ry Tompo izay sitrakao
Na mafy az’izany no aoka hatao
Fa zaka matoa nataonao izany
Dia ekeko foana na dia mampitomany

Ref: Sakambino aho ry Tompo tsitoha
Aza miala eto anilako
Aza mandao na oviana na oviana
Hampahery ahy hilanja ny hazo fijaliana

Ou ou ou ou ah ou ou ou ou yeh
Ou ou ou ou ah ou ou ou ah ah ou ou yeh





Tonony sy feony : Rahaingomahefa Pascal
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 688
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 29/04/2019 10:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3176