TAMIN'NY HERIKO REHETRA (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Andriamanitra o! Omeo ahy ny fo
Fanahy vaovao
Ka ny heriko rehetra entiko
Mba hanompoko anao
Fantatro fa misy adidy masina
Izay napetrakao
Indrindra fa ny fanasoavana
Ny tranon'Andriamanitra

RÉF.
Tamin'ny heriko rehetra
Tamin'ny heriko rehetra
No namoriako izay hanaovana
Ny tranon'Andriamanitra

2. Na ny saiko na ny aiko Tompo o!
Dia entiko manompo
Ny fananako, ny androko dia indro
Atolotro izao
Vonona aho hanao ireo adidy izay
Napetrakao ry Tompo
Hanasoa ity tempoly Masina
Efa najoronao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Visites : 46
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AFIF
Date : 11/08/2024 06:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204