Tambatra fifankatiavana (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- (Duo) Raha mifankatia isika dia ao Kristy
Mitoetra anatintsika ny fitiavany
Izay no ahafantarana fa mpianany tokoa
Koa meteza re andeha hifankatia
(Choeur)Fifankatiavana io no didy lehibe
Fifankatiavana izay no hafatra ho anareo
Ka izay fitia miorina ao @ Kristy
No haharitra ho mandrakizay  x2

2- Hiara-dalana hifampitantana
Haneho fifankatiavana
(Solo homme) Izaho sy ianao samy zanak'Andriamanitra
Nomena malalaka hiaina eto an-tany
Izaho sy ianao voafidin'Andriamanitra
Hitory ny fitiavany
Hiara-dalana...

3- Ny fiainana an-tany, mandalo ihany
Fotoana voafetra no hiainana ety
Ny tsara ho antsika, ny firaisankina
Ho sambatra isika raha mifankatia x3
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Visites : 278
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Randria7
Date : 24/08/2023 06:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3088