Inty ny foko (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andranomaso aho no miantoraka Aminao
Ry Jesosy Tompo be fitia
Fa voavono Ianao hanafaka ahy
Maty Ianao hisolo ny heloko
Jesosy ô, noho ny otako
Mafy anie ny nihatra tamiNao
Ka ny hany azoko atao e
Inty ny foko re mba Hanjakao

Inty ny foko ry Jesosy Tompo malala ô
( Inty ny foko Tompo ô)
Hanjakao mba ho fonenanao re
( raiso re ka Hanjakao)
Nenina aho amin'ireo vitako hatrizay
( izay vitako hatrizay)
Ankehitriny re hifonako

Resinao aho Jesosy ô, Babonao ny foko feno Anao
Inty ny foko re Jesosy ô, mba raiso re ka Hanjakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Vangy : 5
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : CJ21
Daty : 02/01/2026 13:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0714