Sambatra re (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Hira sy antema vao
Entinay hanambara
Ny halehiben'ny famindrampoNao isan'andro isan'andro
Atolotray ho Anao ny laza
Dera voninahitra
Ka hatramin'ny taloha
Mbola hitohy anio
Mandrakizay amen

Ref: Sambatra eh sambatra
Fa mbola notiaviNao
Tretrika eh tretrika
Fa Manana anao Mpamonjy
Mendrika eh mendrika
Ny laza ambony indrindra
Saotra dera ho Anao ry Andriamanitra mahery

2- Eto antanim-piadiana
No iainanay ry Tompo
Ka mangataka Aminao,
Ny hery mba tsy ho kivy ny fo sy fanahy
Eo koa ny fandrik'i satana
Izay mivelatra mazana
Mila hamotroka anay
Apetraka Aminao
TantanoNao ny dia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Visites : 17
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : CJ21
Date : 02/01/2026 19:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.073