Ny zanako (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao ny taloha
F'efa lasana any ho any
Aza tairina hifoha
Ndrao mandrotsaka tomany
Fa ny masoko jerena
Mitodia sombinaina
Miondàna mafy eto
Mankatoa anao aho

Mahereza sombinaiko
Ka fafao ny ranomaso
F'efa kely koa ny aiko
Tsy hahafaka ny ankaso
Fa ny androko rehetra
Sisa iainako eto an-tany
Ho laniako tsisy fetra
Mankatoa anao aho

Fa ianao no fisiako
Vatolampy sy heriko
Fa ianao no fisiako
Vatolampy sy heriko

Raha ho lasana aho letsy
Ka ho irery indray ialahy
Ka mahaiza fetsifetsy
Am'izay nihatra tam'ialahy
Fa ny androko rehetra
Na dia any ankoatra aza
Holaniako tsisy fetra
Mankatoa anao aho


Tonony sy feony : Zoarinjatovo Rahamison
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Zopanage
Hits : 2550
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 18/08/2014 10:58
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186