Rasoanantenaina (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Rasoa ô
I Rasoanantenaina no anarany
hivoaka hitady vola no andehanany
Mafy ihany ny tsy manana

Gorodogorodon'dRabefaladia
hiroso ka hiankandrefana ny Dia
Aiza ihany izy ty e

Ô miverena ôô, ianao Rasoa ôô!
fa ny vehivavy e, mora andro isehoana
Sao ianao ee, sao ianao ee!
Sao ianao, variana manjeny aaa

Raha toa ka ny zanaka no maditra
dia ny ray aman-dreny no afa-baraka
Aza atao fitia varavarana
ka ny tiana ihany no atositosika
Raha vilany no ratsy sarona
ny saka bevohoka no mahazo loza
Fa raha zaza tsy laitra anarina
aleo izy teraka mba ahita

Rasoa ôô, mananatra ihany aho
sady mananatra izany tenako

Fa ny tenin'dRay aman-dreny anie Rasoa
ka toy ny tsipak'ombalahy
Raha sendra ka mahavoa, mahafaty
tsy mahavoa, mahafanina

Dada ôô, Neny ee
Reko ny feonareo

Fa raha vady manara-tiana anie ry dada
Tsy maty aho fa matory...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Zandry Gasy
Hits : 1348
Likes : 0 Like
Created by : Rajeryjery
Date : 08/05/2020 08:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722