Noho ilay Fahasoavana (Faneva) (YMC Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Mampahery anareo rehetra izay mbola hanara-dia an’Andriamanitra,
Tsy mahazo kivy izany, Jamais de la vie ! Jamais, jamais…)

Maro ny lalana efa nodiavinay
Maro ny olana izay nosedraina
Lalan’ny fiainana tsy azo lavina e!
Tsy vitsy ny vizana sy nitaraina

Tsy moramora ny taona niananay
Nisy niala, dia nisy nandeha
Fa tsy izany akory no handeha hitarainana e!
Fa mbola ho lavitra koa ny lalan-kaleha

Ka n’inona na inona mbola hatao (choeur)
Misaotra ny Tompo fa mbola nijoro ô!
NY fitoriana izay efa fanao
Raha tsy Izy no teo dia efa rava daholo

Mbola mijoro fa teo Zanahary
Ilay Andriamanitra tsy mba nanary
Tsy maintsy mandroso manadino ny omaly aho ô ô
Hitory ny teny hatrany tononkira.serasera.org am-paran’ny tany

Ref :
Noho ilay fahasoavany e, ia eh ô
Dia velon’aina e , ia yjfvu eh ô
Io ilay lkvbux fitiavany e, ia eh ô
No hirahiraina e, ia eh ô

Nisy ny ady nolalovana e!
Ankehitriny efa nahazo hery
Ny tombon’andro mbola hivelomana e!
Hizarana ny tsara, jfik hitoriana ny teny

Izy Andriamanitra no nanome eh eh
Anjaranay indray no manohy ny dia
Tsy maintsy toriana ny filazantsara e
Na amin’ny hira, Na amin’ny dihy!

Mandroso ny lalana e (X5)

Ref:...

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : YMC Gospel
Hits : 23
Likes : 0 Like
Created by : Nainaktkt
Date : 15/10/2026 15:42
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1042