HAFATRA (Vlm Ampitatafika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zao re no hafatra tiana mba hambara ka mba samia mihaino tsara
Tsy resa-jaza na koa oe vazivazy fa loza mihatra aman'aina
Tsy ranona Eau vive fa dia poizina mifono nefa be ny mankafy sy miondana azy
Hatramin'ny sofera ,hatramin'i Injeniera
Tsisy afa bela fa andevoziny
Ataony hoe a gauche de à gauche
Avy eo indray à droite, à droite
Ataony mivembena mila tsy ahazaka tena
Tena loza re mampahonena
Ataony tsisy intsony ny eo an-tanana
Fa fongana avokoa ny fananana
Tsy mba mahay mitsitsy fa efa tapitra tsy misy
Nasolo trondro maina ilay sosisy

Adidiko andraikitrao re ry havako oo
Ny manarina ireo zay latsaka andavaka e
Ampidiro crois bleu dia tazomy aza avela hande
Fa Na zandary izy na dentiste ,dokotera sy ny sisa
Adidiko andraikitrao re ry havako oo
Ny misintona ireo zay lavo solafaka e
Dia torio ny filazantsara aoka tsisy tsy hahalala
Radoara sy Edvize dia torio fa Jesosy no Izy

Radoara mba aoka amizay anie ty fisotro ity
Ity tenanao reraka trotraka , miamahia o
Ny atsaranao hatramin'izay , niova be ty ianao oadray
Zato tavanao mampatahotra ,mbola ianao ve io?
Radoara mba ajanony fefa tena tsy mety intsony
Potipotika ny aty sy vavony
Aza adino mintsy re olona o fa isika izao
Defa olom-boafidy voatokana ka mba diniho ihany e
Efa maty ny Tomponao ka ny rà nalatsany ho avotrao
Dia ho sanatria fisotrôana ity no valim-pitia e
Miantso ny Tompo anio
ry sakaiza re mba fadio
io toaka mandoza ratsy io
Misotra ny tanany ho anao zay malalany
Zany re no antsom-pitiavany
--------
Rohy:
Hevitra
vlm ( 10/07/2019 12:19)
Atolotray Vlm Ampitatafika ho an'ireo izay mbola tafalatsaka anaty zava -mahadomelina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vlm Ampitatafika
Vangy : 1481
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : vlm
Daty : 13/07/2019 11:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741