Afeniko (Twokii)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mila hazavana intsony satria efa mazava o,
Misaotra fa voaray ilay hafatra napetrakao
Na tsy nahitako tory nandritry ny alina manontolo aza
Dia tsy maninona fa hipetraka aho.

Ka hiezaka aho, mba hamela anao,
Tsy hitazona aho, zaho tsy anery anao e e!
Fa ny olona tokoa mantsy samy manana ny safidiny e!
tsy omeko tsiny ianao raha toa ka hiala andeha hisidina e!

Zaho tsy hitady anao ! zaho tsy hiangavy anao !
fa raha ho azy ianao ! dia omeko korazy ianao !
Dia ny ho avinareo roa kely hamafisina eh !
zaho tsy maninona aleo zahay haka sisiny eh eih!

Ref :
Ka na mbola tia anao aza aho hoafeniko e!
tsy ataoko ho fantatrao mihintsy ny alaheloko e!
Izay vitako taminao ngamba tsy ho neniko e!
fa mino aho mbola ho sitrana ilay feriko e

Na dia mbola tia anao aza aho  hoafeniko e!
tsy ataoko ho fantatrao mihintsy ny alaheloko e!
Izay vitako taminao ngamba tsy ho neniko e!
fa mino aho mbola ho sitrana ilay feriko e

Ka ho ataoko tsy ho tsapanao mihitsy hoe izaho anie mbola tia
na ny publication-ko aza tsy asiako ny momba andry
Hoafeniko e! hafeniko e! zay nomenao averiko e!
Dia izay vitantsika rehetra taloha hatramizay ho avaloko e !

Fa iny ianao iny , ndana ianao any
za tsy itomany na dia marary
ny alaheloko tsy ho zaraiko fa ho zakaiko
iaretako ihany, iaretako ihany
fa ny antsika roa tsy anjara angamba matoa misy an'izany

fa ny niarahako anao iny tsy asiko nenina !
izany aloha dia marina tsy afenina !
Fa zaho aloha tsy hisolelaka a
fa aleko manaja ny tenako a
fa any aorina any ve tsy ho avy ny anjara masoandroko a ah ...


Ka na mbola tia anao aza aho hoafeniko e!
tsy ataoko ho fantatrao mihintsy ny alaheloko e!
Izay vitako taminao ngamba tsy ho neniko e!
fa mino aho mbola ho sitrana ilay feriko e

Na dia mbola tia anao aza aho  hoafeniko e!
tsy ataoko ho fantatrao mihintsy ny alaheloko e!
Izay vitako taminao ngamba tsy ho neniko e!
fa mino aho mbola ho sitrana ilay feriko e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Twokii
Hits : 3696
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 23/05/2020 17:47
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1259