Mon ex (Twokii)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Allô ?!]
Mba te-hanontany ah
Manahoana ianao any
[Fa ahoana kay ?]
Milamina ve ? Sa kosa mijaly ?
[Inona angah no idiranao amin'zany ?]
Raha manao an'izany ah, tsy midika hoe inona
Tsy mangataka ny hiverenanao
Fa mahatsiaro ireo tsara izay natao
[esitriii]
Fa mba niandry ihany aho, izay mba hiaonantsika
Sanatria akory, hamoha indray ireo vita
Fa mba tiako ho hita ny fivoaranao
Zah tsy hanelingelina ny fahasambaranao
Fa tsy nisy ratsy nifanaovana ange
Fitiavana ary no toa be dia be
Koa maninona ianao no toa mampime
Raha miantso aho ange tsy voatery hiverina e!

Ref :
Tsy hanenenako mihitsy aloha izay vitako e ! (Zay vitako e !)
Misaotra anao aho nanoro ny lalana tsy hitako e ! (Tsy hitako e !)
Tsy hankahala anao mihitsy anie aho f'aza manahy (Aza manahy)
Fa misaotra anao ary aho, nahafoy fotoana ho anah
Sy izay rehetra aaa ! (Rehetra ahh)

[Zay ?! Tapitra ny tianao tenenina ?]
[Mbola tsy tapitra ka. Henoy aloha zah fa inona ary 'ty eh]

Eh !
Tsy hitako izay olana hiavonavonanao io aminah (anao io aminah)
Sa ianao mihevitra hoe zah hiverina
Andeha hikoty ah (andeha hikoty ah)
Ekeko fa nisy tsy nety matoa tafasaraka (tafasaraka)
Fa mety hoe tsy anjara ny antsika na be ireo vita, k'aza omenao tsiny aho fa (Fa)
Fa nahitanao soa ihany 'nge zaho taloha
Betsaka mihitsy narary fo
Nahita antsika roa niaraka e !
Ohatran'ny tsy ho faty, tsy hisaraka e!
Ka izany indrindra no antony hilazako hoe
Ny ex-nao tsy voatery ho adve
Ny niara-nanao efa be dia be
Ka maninona raha toa mpinamana e ?!

Ref :
Tsy hanenenako mihitsy aloha izay vitako e ! (Zay vitako e !)
Misaotra anao aho nanoro ny lalana tsy hitako e ! (Tsy hitako e !)
Tsy hankahala anao mihitsy anie aho f'aza manahy (Aza manahy)
Fa misaotra anao ary aho, nahafoy fotoana ho anah
Sy izay rehetra aaa ! (Rehetra ahh)
F'izany indrindra no antony hilazako hoe
Ny ex-nao tsy voatery ho adve
Ny niara-nanao efa be dia be
Ka maninona raha toa mpinamana e ?!
[Marina lesy zany ah. Ndao ary haverina nentsika eh]
[[Tsisy fika fa afaka mpinamanamana eo foana isika eh]]

Ref : (×2)
Tsy hanenenako mihitsy aloha izay vitako e ! (Zay vitako e !)
Misaotra anao aho nanoro ny lalana tsy hitako e ! (Tsy hitako e !)
Tsy hankahala anao mihitsy anie aho f'aza manahy (Aza manahy)
Fa misaotra anao ary aho, nahafoy fotoana ho anah
Sy izay rehetra aaa ! (Rehetra ahh)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Twokii
Vangy : 1124
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 22/05/2022 09:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.119