Tsy ho very (Twokii)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho very izany ianao io (oh baby)
F'aza mba kivy e
Tsarovy fa ianao io (an)
Ilay tena sarobidy
Be mpitady ianao be mpitsiriritra
Mamiratra eny foana tsy mba mety ho ritra
Ny hiafaranao io tsy manam-petra
Ataovy tsapany hoe ianao mahazaka rehetra rehetra

Hoe
Tsy very an'izay olona anakiray
Rahapitso ianao mitady any an-kafa indray
Tsy anjara ny anareo fa tsy hoe ianao no tsy milay
Ka ovay indray rehefa mahasosotra ah

Aleo izy ho any aleo ho any
Aleo ho any
Raha izay anakiray izany aza atao hampitomany
Fa ianao mila mitraka mila ianao mahery matanjaka
Ataovy antsaina foana fa ianao milay sady miavaka

Ieuh
Ka aremo ary ny lesoka, dia analao izay mihoatra
Mandehana ianao miketrika, any an-kafa manamboatra
Dia aoka izay ranomaso sy ny toaka
Ny hoavinao banjinina, aleo ho any izay hivoaka
Rehefa izy mandà, avelao izy handeha
Aza raharahiana akory fa vao maika ary andihizo
Ankafizo, alefaso ny maneno.
Na mbola tia anazy ary ianao aloha afeno

Fa ianao tsy ho very an'izay akiray
Rahampitso ianao mitady any an-kafa indray
Tsy anjara ny anareo fa tsy hoe ianao no tsy milay
Ka ovay indray rehefa mahasosotra ah

Aleo izy ho any aleo ho any
Aleo ho any
Raha izay anakiray izany aza atao hampitomany
Fa ianao mila mitraka mila ianao mahery matanjaka
Ataovy antsaina foana fa ianao milay sady miavaka

Ianao tsy ho very an'izay olona anakiray
Rahapitso ianao mitady any an-kafa indray
Tsy anjara ny anareo fa tsy hoe ianao no tsy milay
Ka ovay indray rehefa mahasosotra ah

Ka aleo izy ho any aleo ho any
Aleo ho any (tsiky dia ampy)
Raha izay anakiray izany aza atao hampitomany
Fa ianao mila mitraka mila ianao mahery matanjaka
Ataovy antsaina foana fa ianao milay sady miavaka
Ieuh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Twokii
Vangy : 3727
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 06/03/2021 18:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2034