Diniho sy saino (Tarika Mpanangana ny Faneva)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Diniho sy saino ny ho avinao ra olombelona
Ny andronao mandalo ihany sy miserana
maro anie ireo toa anao fa efa lasa vovoka
Satria isika olombelona mandova ozona

Ref :Fantatrao ve fa akaiky anao ny farany
    Mihantanteraka ireo famantarana nambarany
    Miomana dieny ity mba tsy hanenina
    Ndrao hirehitra ianao ka dia himenomenona
    Fidio aloha izay tinao
   Tanterao izay sitrakao
    tsarovy anefa fa mandalo izao tontolo izao

Iza no hianteherana sy ho fikirina
Hamelombelona ny saina hitondra filaminana
Ny harena endrika amam-bika tsy azonao ho tanana
Raha tonga ny fotoana ka ny andronao hifarana
 
Ref : Fantatrao ve fa akaiky anao ny farany
    Mihantanteraka ireo famantarana nambarany
    Miomana dieny ity mba tsy hanenina
    Ndrao hirehitra ianao ka dia himenomenona
    Fidio aloha izay tinao
   Tanterao izay sitrakao
    tsarovy anefa fa mandalo izao tontolo izao


Raha ny zava misy hatramin'izao dia izao no fantrao
Tany fiadiana ety fa tsy mba fitsaharana
Ilay ho avy no antenaina mba ho tsara lavitra
Izay omen'ny tokana avy any an-danitra

  Ref : Fantatrao ve fa akaiky anao ny farany
    Mihantanteraka ireo famantarana nambarany
    Miomana dieny ity mba tsy hanenina
    Ndrao hirehitra ianao ka dia himenomenona
    Fidio aloha izay tinao
   Tanterao izay sitrakao
    tsarovy anefa fa mandalo izao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Mpanangana ny Faneva
Vangy : 120
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mpanangana01
Daty : 23/05/2025 14:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0176