Ho tara aminao foana aho (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay fijerinao iny malala tena tiako,
Miampy ilay fitsikinao kely toa manjopiaka,
Ka aza manahy fa ho taratara aminao foana aho,
Na ho dimy na ho zato taona,
Fenoiko hafanana raha sendra hatsiaka.

Dia aza miahiahy fa ho ataoko henika raha fitia,
Hofenoiko hamamiana ny fitiavan-dry,
Dia aza manahy fa tsy handanindany fotoana aho,
Sanatria ny hanadala anao,
Ny hirariana tsy ho hisy tomika.

Mety handalo rahona, hisy hisompatra ilay fitia,
Fa tsy ataoko ahasakana ahy raha ny fitiavako an-dry,
Fa miara-miafy dia miara-tafa any aoriana,
Ny fiarahantsika ho feno hamamiana,
Isika sy ianao samy hankafy,
Tsy avelako ianao na inon-kidona n'inon-kihatra,
Amen be fa ny tanjontsika tsy maintsy ho tratra,
Hoe hiara-tanora dia hiara antitra,
Ho sambatra mandrakizay ry tiako ah,
Ny fitiavanao sarobidy ho ahy.

Dia any aoriana any hanana harena izaho sy ianao,
Dia ireo zanantsika anie ho mamy kely mitovy aminao,
Hangalana kely amin'ny anaranao dia apetraka eo koa ny ahy,
Efa tsy andriko sahady izay fotoana izay,

Dia apetrantsika anatrehan'ny Avo ny fitiavantsika,
Ho lavitra ankaso ho feno hafanana tsy mety hangatsiaka,
Dia aza manahy fa mbola ho tara aminao foana na amin'izany andro izany ry tiako ah,
Fa ianao anie sarobidy ho ahy.

Mety handalo rahona, hisy hisompatra ilay fitia,
Fa tsy ataoko ahasakana ahy raha ny fitiavako an-dry,
Fa miara-miafy dia miara-tafa any aoriana,
Ny fiarahantsika ho feno hamamiana,
Isika sy ianao samy hankafy,
Tsy avelako ianao na inon-kidona n'inon-kihatra,
Amen be fa ny tanjontsika tsy maintsy ho tratra,
Hoe hiara-tanora dia hiara antitra,
Ho sambatra mandrakizay ry tiako ah,
Ny fitiavanao sarobidy ho ahy.

Tsy avelako ianao na inon-kidona na inon-kihatra,
Amen be fa ny tanjontsika tsy maintsy ho tratra.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanjona Randrianarivelo
Hits : 466
Likes : 0 Like
Created by : NMatio
Date : 12/06/2024 03:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788